MANDALO IHANY (nadika avy tamin'ny “Ça passe”) (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDALO IHANY

Mandalo ihany...
Ny ratra sy ny fery entin’ity fahoriana ,
Mandalo ihany...
Ny foko mitomany, nofinitaky ny tiana,
Hanadino ihany
Ilay nanadala fanahy,
Tsy nahitàna tory;
Nilaza fa hoe ahy
Hay tsy niraika akory...

Mandalo ihany...
Mbola avy ny ora tsy maintsy handrosoko
Na eo aza ny tahotra;
Tsy maintsy hotoneko ny alaheloko misoko,
Hiroso aho, tsy hiahotra;
Hofongoriko hatreo
Hiala ny eritreritro
Ilay tsy hita, ilay tsy teo,
Ilay nandany ny heriko...

Mandalo ihany...
Izaho ho tojo fararano, hahita lohataona
Mihiratra sy meva;
Izaho hianatra hira vao, vetsovetso afa-tsaona,
Hiram-pitiavana mireda;
Na ny molotro aza
Hiventy sy hilaza
Fa tojo indray ny sahaza!

Mandalo ihany...
Mbola hotolan’ny fotoana ny afo mahamay,
Ka hitony sy homalana;
Raha tapitra sy foana ny fitiavana iray:
Mbola misy any namana,
Hanolo sy handimby, hanongotra hiala,
Hamafa sy hankahala…
Mandalo ihany...
Na ny molotro aza
Hiventy sy hilaza
Fa tojo indray ny sahaza

Ryana
(05/11/12)
Nadika avy tamin'ny “Ça passe”,
Charles Aznavour
--------
Rohy:
2769 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1471