You are here: home > Vetso

NY HERIKO - Ryana

Azo vakiana?

NY HERIKO

Teny iray monja dia mety mampikoro
Sy mandravarava ny kely mba najoro;

Eo nefa tsy ilaina, tadiavina tsy hita
Dia mety mahasina ny hefa sy ny vita;

Eritreritra mivaona, faniriana diso toerana
Ampy mandratra fo, mitondra fanenenana;

Teny anankiroa, ela no efa nandrandraina
Dia ampy mampifaly izato fo sy saina…

Fihaonana vetivety toa angalangalarina
Mety mamela fahatsiarovana sy hafaliana lalina;

Fanantenana tsotra fa mety mbola hihaona
Dia ampy maharavo sy manala saona…

Ryana
(16/01/09)

Hevitra mandeha

Zozoro (17/01/2009 10:05:43)

Antenao ny fihaonana.

Mankasitraka.

Hametraka hevitra

Midira aloha