MBA LAZAO AZY - Ryana
Azo vakiana?
MBA LAZAO AZY
Mba lazao azy...
Fa hoe tsy nambara ny doboky ny fo
Mangitaka mangina vao 'njay re ny anarany;
Tsy angano na tantara fa mahavaky loha
Ny manontany tena hoe aiza aho amin’ny tantarany?
Mba lazao azy...
Fa toa tsy voatsiahy ireo faniriana anaty,
Miandry, manantena ny ora mety hihaonana;
Ireo nofy sy tsiahy mitroatra mila tsy ho tanty,
Tsy hitako hofefena, tsy vatrako hosakanana…
Mba lazao azy...
Fa toa tsy voambara fa raikitra tadidy,
Tafapaka anaty any ny tsiaron’iny andro iny;
Na dia hoe voarara satria mandika didy
Dia satry hitohy hatrany… mamiko izy iny…
Mba lazao azy...
Na dia tsy nisy nipika aza izany rehetra izany,
Raha toa aho ka nangina, izaho tsy nanadino;
Mba lazao azy hanako mora an-tsofiny any
F’izaho mbola miandry… manantena sady mino…
Ryana
(04/04/2011)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ryana
Nampiditra : Ryana-1Daty : 24/06/2014
Mpamangy : 3287
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
HOY IANAO...MANDALO IHANY (nadika avy tamin'ny “Ça passe”)
NANJARY TIAKO
NANJARY NEKEKO
ISAO TOERANA AHO (nadika avy tamin'ny "Fais-moi une place")
TIANY, HONO, AHO...
NY HERIKO
RAHA HO AVY
AZAFADY
TSY HAIKO INTSONY...