VETSOM-PANAHY (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VETSOM-PANAHY


Moa tsy tena anaty,
Ireny vetsovetson’ny fonao hanangan’elatra ho amin’ny avo taka-tsaina?
Moa tsy tena anaty,
Ireny bitsikao mihanta safosafo tanatin’ny hirifirin’ny andro diva haraina !
Moa tsy tena anaty,
Ireny riakan-dranomaso nandokoanao ny tontolon’ny fitiavanao madiva.
Moa tsy tena anaty,
Ireo amboaram-betsonao, famakintsika isaky ny fenomanana ny hariva.


Nomaniko ho anao,
Ireto horonan-taratsy mivolon’andro konka ireto mirakitra indrindra irony omalintsika
Nomaniko ho anao,
Tsy hitamberina intsony ireny antson’ny fonao tomany sy manila mangatsiaka !
Nomaniko ho anao,
Fa tiako hiserana eto indray ilay tsikinao marivorivo fianjola fenofeno tsy manahy
Nomaniko ho anao,
Ahatsiarovanao indray, ireny sangisangintsika, fony isika nifanojo sy tsinahy


Hosodoko tsisy sary ;
Fa miloko ranoray ny atifoko sombinaiko, lokon’ny fitiavanao te hisaly lamban-tsaona
Soratsoratra voakaly ;
Nokendreko indrindra ireny hirakitra ireto sarin’ny tadidy ireto tsy ho resin’ny fotoana.
Torifolon’ny valiha ;
Milantolanto fiantefa hampisidina indray ny nofinofin’ny mpikaratsaka fanahy
Tononkalo tsisy dihy ;
No fehezam-bonikazoko, ka tsy ho resin’ny elanelana ny fontsika te - hiray.


Tsiky ihany d’efa ampy ;
Hanarina indray ireny andro lasanao fahiny ho tonon-taona tena sambatra,
Tsiky ihany d’efa ampy ;
Ho vatsin’ny fanahy lazondazon-tsento sy haraky ny trotraka efa mitambatambatra
Tsiky ihany d’efa ampy ;
Hamborahanao fitia, dia Fitiavana iray tsy mba resin’ny fotoana fa velona hatrany ;
Tsiky ihany d’efa ampy ;
Hitondra « Hery » vao ka inoako ankehitriny fa handresy ny hetraky ny tany !



SOLOFOMANJATO

NB : kisendrasendra ihany ny toa anarana voasoratra fa hafa tanteraka ny tian-kambara.
--------
Rohy:
1231 2
Mpakafy: benasy - accolade
Hevitra mandeha
Zozoro ( 28/01/2009 14:05)
Tena lina aho amin'ny tolokalonao rehetra.
Mankasitraka sy midera.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 27/01/2009 09:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155