AINA - Solofomanjato
Azo vakiana?
Aina,
Foiko ho anao
Ny aiko, sy ny tenako
Ny lasako rehetra
Afoiko noho ianao
Ny mamiko, sy ny amiko
Sy ireo tsy takatry ny saina
Aza afoiko ho anao rahavako
Mba hisambaranao
Aina,
Izao tontolo izao
S’ izay mba hany fanaperako
Tsy misanda, tsy mifetra
Afoiko ho anao
Fibitsiky ny teny mamiko
Raha ho anao foana sombinaina
Tsy ho azo perana ny vavako
hanonona hasambaranao
Aina,
Horaky ny teny sy ny soratsoratro
Navadiky ny sary ho lasa nofinofy
Fa telonohorefy, no volana mandrotsirotsy
Eo anelanelan’ny tsisy sy ny voaporofo
Andringitra filaza, Ankaratra fiteny
Samy te hisompatra ireo fo mifankatia
Saingy teny fotsiny, an-tsento re ombieny
Dia afaka mandavo ny ezineziny malia
Dindona mpandalo, sarin’ny efa maty
Manenika ny foko ànan’ny andro sisa
Hisamboaravoaran’ny dinitra tsy tanty
Kilan’ny forehitra efa madiva ho vita
Foiko ho anao ny amiko, raiso sy anjakao
Natao isika hihaona, f’efa raikitra an-tantara
Voatendry manontolo ho natolotry ny anjara
Fony tsy àry akory ny avelon’ny alokao
SOLOFOMANJATO
Hevitra mandeha
Zozoro (25/06/2009 17:54:22)
Sambatra izy...sambatra ianareo...
fa tena misy Aina feno Hasin'ny Fitiavana...
oliviah (27/06/2009 10:13:32)
Mombamomba
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasyDaty : 24/06/2009
Mpamangy : 1898
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
F' ANGAHAFIAINANA
HO INONA ?
MIJOROA
RAHA HO TONGA NY ANDRO IRAY
TSY MAINTSY VE ?
TSY HO VERY MAINA
NY POETY
TSY IZAHO
SAMBATRA.....