TSY IZAHO (Solofomanjato)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY IZAHO

Raha tia anao ve aho
Ataoko ahoana ny hijery
Ny ranomasonao mitraho
Anaty fahantrana irery
Ka ny tambabin’ito jaly
An-damosina efa haraka
Ve hilaozako mifaly
Sy mitehaka miaraka
Amin’izato latsi-tànako ?

Tsy iriko, tsy ilaiko
Ny filaminan’ito saiko
Raha mijaly ny olon-tiako
Ka ny anjara fifaliako
No hararako ho eo antongony
‘Zay mety ho ahy sy ny forongony
Hampitsiky indray ny molony
Hampitraka koa ny sorony
…..Novesaram-pahantrany !

Ho inoko ny fiadanana
Ho inoko ny hasambarana
Raha ny tiako tsy mba hànana
‘Zay anjara nosilarana
Amin’ito rovi-dambany
Hisaringotra ny anjarany
Sy tofezak’hanoanana
No hitakiako koa ny sarany ?
….Tsy mba izaho angamba izany !


SOLOFOMANJATO
--------
Rohy:
2733 1
Hevitra mandeha
Zozoro ( 28/05/2009 19:58)

Tena latsaka ampo tokoa ...misaotra anao indrindra"

"Tsy ho sahiko eny mantsy ny anakimpy ireto maso
Raha mbola misy koa ireo voatsindrin'ny ankaso,
Tsy vitako tokoa ny hangina, hienaena
Raha ny zo n' ireto havako no ambaniana sy hosena".


kiriah ( 01/03/2012 12:22)
kanto kely !
spicatantely ( 04/03/2012 17:09)
tena marn v zan?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 28/05/2009 15:33
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104