You are here: home > Vetso

FIFIDIANANA - Teboka Telo

Ny fifidianana, toa andro fety
Isongadinan'ireo be malety;
Mpaka artista soa sy vedety
Ka amoahana sary izay mirentirenty
Amin'ny tele sy ao anaty gazety!

Fa io fifidianana io koa mety
ho andro mihiratr'ho anay vetivety:
Fizarana ankanjo s'ireo kasikety
Ho enti-midola sy enti-mitety
Analakely k'hatreo Besarety!

Fa io fifidianana io, vetivety:
Mandrongatra ady, toa any Kaoety...
Izay bebe vava, avy hatrany, voagety
Na koa, samborina toa an-dr'i Pety,
Ka any am-ponja no manao fety!

Io fifidianana io ry Zanety
Tsy ifotetahana toa taingim-borety!
Fa ny tena tsara sy ny metimety:
Ny saina ampiasaina hanan-danja sy venty
Sao ny omby indray no aorian'ny sarety!

Hevitra mandeha

rado_albert (03/11/2018 03:18:32)

ok

Hametraka hevitra

Midira aloha