You are here: home > Vetso

HO ANARIN'NY FIAINANA! - Teboka Telo

Nantsain'i
ikalamako

Maty aho Bada, ka maty aho Neny
Fa hay ireny sipa manidina ireny
Tsy misidintsidina fahantanintany
F'indraindray toy ny gisa, misoroka tany!
Ka raha vao sodokan'ny lango malefany
S'ireo orokoroka eny an-tsefatsefany,...
Asian-tsafosiakany, mampandry adrisa;
Dia miomankomana ho taolana sisa!

Maty aho ry 'nao, e! Maty aho ry 'tony
Fa hay irony kiandrankandran' irony
Tsy kiandrankandrana fahantanintany
Fa tena mandrotika ny vavako ambany!
Andraman-ko hanina avokoa 'reo 'zay hita:
Na karaoty gasy na avy any am-pita;
Na laoka be rony, na anana ritra,!!!
Dia 'zao ny nalehany: "nibaby kitra!"

Maty aho Baba ka maty aho Neny
Hay ny revirevy madinika ireny
Tsy madinidinika fahantanintany
Fa mitombo, mihangeza sy miseho lany!
Ka na aiza toerana rehetra aleha
Dia tezain'ny revy ho tia rehareha
Tsy ho leo dohika sy avo fisainana!...
Dia miomana "HO ANARIN'NY FIAINANA!!!"

Teboka Telo
19/07/17