HO INOKO MOA - Teboka Telo
Azo vakiana?
Ahoako inona izay fiantrana
Hoentin'hadatsa
Sy hatao laza habobo amin'ny mpiray tanĂ na?
Raha hoe lany patsa
Sy tsy afa-nidify ny tendrin'ny Avo
Ao an-danitra ambony;
Dia aza mba anaovana tsindrio fa lavo
Ty foko efa tony!
Ho inoko moa zany hoe mba fitserana
Ny rako nandriaka,
Ka entin'hisekosekoan'eny an-toeran'
Hanao safosiaka?
Ny ahy ny feriko na tsy hanolatry
Ny androko lasa, aza,
Tsy ho vinakin'ny kisolantsolatry
Ny mpivadi-drasa!
Fa zinona moa aho no mila ampanginina
Anaty tomany?
F'angaha ny hirifirin'ny andro ririnina
Hiala amin'ny tany?
Aza somparana tsiky terena
Fa ndrao tsy handaitra ...
F'aleo mba hogohako ny ngidin-tangena
Sy lotra mafaitra!
Mombamomba
Mpanoratra : Teboka Telo

Nampiditra : Kalonantitra
Daty : 03/05/2021
Mpamangy : 694
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
HO ANARIN'NY FIAINANA!ISAKY...
FANADINOANA?
TAKARIVARIVA INDRAY
VAVAKA
NY VEHIVAVY
FIFIDIANANA
SITRAN-TSY MIODY
EMBONA SY TO!
FOFONA RE ZAO!!!