TAKARIVARIVA INDRAY - Teboka Telo
Ritsodritsoka valiha sy kalokalo an-gitara,
Karantsanina kabaosy sy kiririokana farara;
Arahin-dihy gasigasy milantolanto an-takariva
No handraikana indray ny loha, mamatonalina madiva!
Dia samy revo, varimbarin'ny vazovazo feno angola;
Samy roboka niangaly, samy rebika nidola!
Toa volom-boron'entinketin-drivodrivotra mandalo;
Zary ngolingoly anaty, mangorintsin'halohalo!
Tsy tsaroana kely akory ny hitsakitsaky ny nara,
Ny hirifirina hatsiaka sy setrasetrana fanala, ...
Fa vao mainka dorodoron'hafanana tsy hay fiaviana!
Tsy tandrintandry kely akory ny hodim-pamantaran'ora,
F'akorisadrisany eny, hanakataka-petra mora
F'efa hisasak'eny ny alina, hitsaharana, hodiana!
Teboka Telo
Hevitra mandeha
KALONANTITRA (07/08/2020 04:30:48)
Mba manadrana mivetso itony "Romantika" itony e
Kalonantitra (06/05/2021 13:28:57)
Mahafinaritra koa ny niantsan'ny Mpiantsa azy. Mankasitraka fa tena voafehy ireo vanimbanin-teny nosoratam-berin-droa.
Mombamomba
Mpanoratra : Teboka Telo

Nampiditra : KALONANTITRA
Daty : 06/08/2020
Mpamangy : 660
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ISAKY...FANADINOANA?
HO INOKO MOA
VAVAKA
NY VEHIVAVY
FIFIDIANANA
SITRAN-TSY MIODY
EMBONA SY TO!
FOFONA RE ZAO!!!
TSY MANDRY NY TANY