You are here: home > Vetso

ISAKY... - Teboka Telo

Azo vakiana?

Isaky ny misy kalo
sy gadon-kira iray mandalo
        dia ianao no mitamberina
        ao am-poko mitadidy !!!

Isaky ny misy trangan-
Javatra maneho fa banga
        Ny fisianao ! dia io ny penina
        Manoratra tsy manam-pidy !!!


Isaky ny te handrary
Ny tenontsik’ho lavorary:
Tsaroako ireo izay nanavia
Fanorotoronao hatrany !!!
Tsy manan’olon’hiangaviana
Fa nikipy ianao, nangina !
Tsara mandry ho doria
Fa rangolahy no lasa akany !