FANADINOANA? - Teboka Telo
Azo vakiana?
Ekeko fa misy ny fanadinoana
foronin'ny saina;
saingy toa tsapako ho sarotra inoana
raha toa ka ny aina:
ila sy tapaka, sombin'ny nofo
no nisy naninda!
Ny holatr'apetrany, ireo no porofon'
ny zava-tsinimba.
Ekeko fa misy ireo taon-dasa
tsy tsaroan'ny fo:
asa natomboka, zava-kinasa,
faniriana tsy to, ...
Saingy, ireny, mazàna, tsy hoe volom-borona
misedra tadio;
Fa vato mifototra mafy sy miorina
Ka tadidio!
Ekeko fa misy reo minia mikipy,
manao ranomody;
miaritra mafy ny fery voakikin'
ny tsiny sy tody, ...
Fahanana voamanadino sahady
'lay fo mitadidy! ...
Asesi-bato, toa zaran'angady
hanefa tsy fidy!
Mombamomba
Mpanoratra : Teboka Telo

Nampiditra : kalonantitra
Daty : 17/05/2021
Mpamangy : 546
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
HO ANARIN'NY FIAINANA!ISAKY...
HO INOKO MOA
TAKARIVARIVA INDRAY
VAVAKA
NY VEHIVAVY
FIFIDIANANA
SITRAN-TSY MIODY
EMBONA SY TO!
FOFONA RE ZAO!!!