You are here: home > Vetso

FANANTENANA - Toetra RAJA

FANANTENANA
(Setrin'ny "Hiran'ny fanantenana" - NY AVANA, Ny Mpandinika n°1. 13-7-1923)

Efa
Niainga
Ny fanantenana
Kanefa
Dia faingam-
Pirimo tsy tana

Ny fahadalana
Tsy ara-dalàna.

Ka dia
Nilefa
Ny fanantenana
Satria
Tsy voaefa
Ny teny nierana

Ilay dina tary
Vita sonia.

(...)

Hanao
Dia mianotra
Ny fanantenana
Raha izao
No mitsotra
'Reo zatra kijàna :

Fa tsy azo ialana
Ny ara-dalàna.


Toetra RAJA
13 martsa 2010

Hametraka hevitra

Midira aloha