Tankina aho (Toetra RAJA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tankina aho,
tahaka ny inona !
Tsy hitalaho
anefa tsinona
na voarota
sy jambena
ho fanavotam-
pirenena,
fa miezaka
ny hahitsy,
tsy mifezaka
mihitsy
manoloana
herisetra
mahamoana
ny rehetra.

Tankina aho,
tahaka ny inona !
Mifamaho-
faho tsinona
ny vahaolana
mivaona
amam-bolana
aman-taona,
vahaolana
vahiny
ranon-dolana
aman-tsiny,
hafetsena
mba hambabo
ireo fefena
tsy hiabo.

Tankina aho,
tahaka ny inona !
Ao reraho
fa tsy maninona !
Mbola hianjera
eo daholo
izay natera-
borondolo
ka ho ravan'
ny alahelo
ao am-bava-
hadin'ny helo
ary ho tankina
atsy ho atsy
satria mpiankina
amin'ny ratsy !

(04 Desambra 2023)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
208 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Toetra RAJA
Nampiditra : ikalamako
Daty : 31/07/2025 21:47
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0294