You are here: home > Vetso

SOMBIN-KAFATRA - Tsanta MIKANTO

(Sombin-kafatra) (…)
Ry zazavavy gasy,ranabaviko malala,
Moa dia tena tsisy vatsy no manao toetra adala ?
Ka manimba vatana ,mivarilavo, mahonena,
Mandeha mivoak’alina ary koa mivaro-tena !

Tsaralalàna moa ny takariva izany
Dia mendy ny kitoza,ny fofona injany,
Indretsy zazavavy tsy mahalala hatsiaka
Injany misy sento,injany misy hiaka !

Indreo fa mivangongo ireo tanora maintso volo
Indreo mameno lalana ,ny alina tontolo
Misioka reo mpandalo,na lehibe ,na ny tanora
Dia ireo fa mampiresaka hoe :ny kitoza etsy mora !

Ry zazavavy gasy,angamba mba mahamenatra,
Raha vola no tadiavina ka ny fe no ndeha avelatra,
Rehefa tena tsy aritra ny fiainana sy ny ady
Farafaharatsiny mandehana manam-bady….
(….) Tsanta MiKANTO

Sokajy : Malalaka

Hevitra mandeha

tsanta mikanto (12/06/2015 16:49:20)

Teny mahitsy,ka aza omena tsiny

z'andrygasy (14/06/2015 12:15:26)

Tsy misy tsiny,tsara fa mivantana ny hafatra, mazotoa

Hametraka hevitra

Midira aloha