TSY IANAO IRERY - Tsanta MIKANTO
Azo vakiana?
TSY IANAO IRERY,
…
Tsy ianao irery ry kinta-mampifila,
No azoko andrandraina hanome hazavana
Ka na hiteny aza ianao hoe : « Ny tenako tsy mila »
Dia mbola ao ny masoandro hanome hafanana !
…
Aza be rehareha fa tsy ianao irery tsy akory
No afaka hanjaka eo anivon’ny lanitra
Na dia natosikao aza ny foko oriory,
Mbola ao foana ny tompo Andriamanitra e!
…
Rehefa ho avy tsy ho ela ny andro maraina
Ka iny ianao no tsy hita eo ambony,
Fadio ny manatona ahy hitaraina
Fa izaho efa leo, « Tsy tia anao intsony e»
…(…)
Tsanta MIKANTO
Mombamomba
Mpanoratra : Tsanta MIKANTO

Nampiditra : tsanta mikanto
Daty : 25/08/2015
Mpamangy : 1599
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
HITOHY MANDRAKIZAYHAFATRA HO ANAO
IZAHO 'KOA MBA TE...
NOSIMBAINAO
MANAIKY AHO FA RESY
NY TAKARIVAKO
SAIKY NENINA
FITIA IMORONA
KALOM-BORONKELY
NY LALAKO