You are here: home > Vetso

MANAIKY AHO FA RESY - Tsanta MIKANTO

Azo vakiana?

MANAIKY AHO FA RESY
Tao anaty akatanao, no nanavatsava ny alina,
Ny miaramilam-poko !
Isan’andro izao,mandrava azy lalina
Ny renty sy ny lokon’
ny manontolonao,
…Resy aho izao e !
..
Babony… indrisy…
Ampijalio mihitsy e , !
..
Fa…
Maditra loatra mantsy,
Ka faizo na tsy tantin’
Ito saina adalako.
Eny… ry malalako,
Malala tiako ho anjarako….
..
Ratrao sy kendao,vonoy am-parahery,
Hahafantarany fa misy ny lahatra sy tendry !
Fa…
Fifaliako izany,
Eny,.. na mampitomanian’
ity vatako efa resy !
Resinao tanteraka

Tsanta MIKANTO 17/08/15 22 :06

Sokajy : Fitiavana