You are here: home > Vetso

HAFATRA HO ANAO - Tsanta MIKANTO

Azo vakiana?

HAFATRA HO ANAO .

Malala a,
Tsy manam-bola aho na harena,
na tahirim-bolamena,
Kanefa kosa ;
tsy hitrosa,
Fa :
Hifampizara am-pitiavana,
‘zay kely anananako rahavana !

Tsy tsara aho ,tsy tonga lafatra,
na olo-be pahafantatra,
Kanefa kosa matokia ;
Fa :
vonona hifangia,…
aminao irery ny atifoko,
na ho tomany,na toloko ;
iny lalantsika iny !

Tsy ahoako izay kiana,
Tsy ataoko hampisy hakiviana,
Fa ;
ny angatahiko ry tiana ,
dia :
izaho aza ampijaliana !

Tsanta MIKANTO

Sokajy : fiainana, Fitiavana