You are here: home > Vetso

NY TAKARIVAKO - Tsanta MIKANTO

Azo vakiana?

NY TAKARIVAKO
Takariva arahin’tsento,
Eo ambody fahatsiarovana
Dia…
Ny fofonao no re manento
Ny alokao no misalovana !
..
Ato anefitr’eritreritro ato
Ny tsikinao miseho tsy miato !
Dia..
Lasany any ny amboroako,
Isan’andro ianao tsaroako !
Ka…
Ny hasambaran-keliko mankany
No mitondra ahy hanofy mamy.
..
Tsanta MIKANTO