IZAHO 'KOA MBA TE... - Tsanta MIKANTO
Azo vakiana?
IZAHO ‘KOA MBA TE…
...
Izaho mba te ho ianao,
Ry :
Rivotra mitsoka,
Mpanafosafo lalandava,
Ny :
Lemaka sy havoanan’
Ny tany feno voary !
Fa :
Tiako indrindra mantsy,
Sady mamiko aok’izany
Ny :
Hifampikasokasoka amin’
Ny renirano eo aminy,
Ilay…
Manara-demaka iny ,
Lafatra tokoa !
…
Te ho ianao ‘koa aho
Ry :
Tany boribory,
Boribory misitery,
Boribory be harena ,
Be harena be mpitrandraka,
Be mpitia sady ilaina,
Fa :
Mpamelon-javaboary,
Sady be mpanao sary,
Erakin’ny lafi-drindrina,
Hita etsy… sy eroa !
…
Izaho ange mba te ho ianao ,
Ry :
Voron-tsisisidina e !
Fa :
Efa haizina no eto !
Habaky ny sento,
Dia :
Eto avokoa ny tsiambaratelon’
Ny :
« Ako » sy ny « ahy »
Satriko mba ho any,
Saingy…
Moa ny elatro mba aiza ?
…
Tsanta MIKANTO
Mombamomba
Mpanoratra : Tsanta MIKANTO

Nampiditra : tsanta mikanto
Daty : 14/09/2015
Mpamangy : 1190
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
HITOHY MANDRAKIZAYHAFATRA HO ANAO
NOSIMBAINAO
MANAIKY AHO FA RESY
TSY IANAO IRERY
NY TAKARIVAKO
SAIKY NENINA
FITIA IMORONA
KALOM-BORONKELY
NY LALAKO