« Ry fahantrana » (A.N.T.L)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
« Ry fahantrana » Na eo aza enao Ry fahantrana
Dia tsy ataonay sakana velively
Izahay mifankatia saingy mahantrana
Mifanoana hatrany dia tsy ho irery
Nampianarinao hiray hina
Nampianarinao mba hifandray
Hifanome tanana @ hafa hatrany
Izay tokoa no tarigetranay
Na tsy manana aza izahay
Dia nampianarinao hifampizara
Tsy ho kivy , tsy hitomany
Satria izay no fiainana an-tany
Ny mibahana ao an-tsaina
Tsy mba vola na harena
Fa zavatra tokana , mafonja
Dia ny teny hoe « fahendrena »
Ka na mahantra izahay
Ehhhhh Dia natao ho iray
Dia ho velona finaritra
Fa manana an’Andriamanitra
Andriatiana Tsanta Niaina Luc
--------
Lien:
Fans:
A.T.N.L