Mena (ABS)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hamenan’iny lanitra mitohy any ho anyMampatsiaro ireo hariva fiarahanay mitosy
Lavitra azy mantsy izaho ka toa zary mitomany
Fa efa zatra tambitamby tao anaty rotsirotsy
Mena toa an’iny ilay akanjo izay nanaovany
Mena toa an’iny ireo molony fanoroko
Mena toa an’iny : fidorehitr’i Fitiavany
Onena toa an’iny izy niantsampy teo an-tsoroko
Dia menan-dranomaso ny maso lavi-tiana
Ory lalandava sy verivery saina
Fa rahampitso kosa ho menan-kafaliana
Ho tojo ilay Malala, ho tojon’Andon’aina
--------
Lien:
Commentaires
Laaris
(
07/08/2012 06:39)
sod mena ko n anarany.sa izy l mena ambonin'ny mena?