11. Fara veloma (Aingankalo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nierina ny herinandro, toa nanidina, toa indray nipi maso,
Tsy hita notazonina, nihazakahazaka tsy hita hoe andraso,
Kanefa... Toa mbola marary ny aty foko, ny saiko tsy mino...
Ilay fara veloma tsy nifanatrehana, mbola maneloelo, dindo tsy hay vonoina.

Eny e, iny lalana iny efa niodinana, tsy hodiavina intsony,
Efa nalavirina, tsy toy ny fahiny, na ny aminy na ny fony,
Kanefa ... Mbola iny miandry antso, mitady hafatra tsy ho avy,
Mbola manembona fihina na dia efa niova pejy vaovao.

Eny, ato ampoko ny famataran'ora mihisatra fidona,
Mbola manina sy tia, te hamihina sy hidola,
Kanefa ... Izaho na dia tia, ianao tsy anjara na oviana.
Izaho na dia babo, tsy maintsy mianatra hanadino.
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Embona - Alahelo
159 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137