Mbola manantena anao (aladin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanantena anao ity izahoHo ando hamelombelon'aina
Hay fanala nahalao
Nitondra hatsiaka sy taraina
Jamba taminao ity foko
Revo koa izany saina
Hay tadio nitora-jofo
No reko nihatra aman'aina
Nitia anao tokoa mantsy aho
Dia ilay fitiavana madio
No natokako ho anao
Izany no mba tadidio
Tsy omeko tsiny ianao
Nanaitra ity foko ity
satria ao anatiko ao
Dia tsy voafafa ilay Fitia
FA MBOLA MANANTENA ANAO
--------
Lien:
Commentaires
manjakely
(
10/05/2004 18:43)
mahafinaritra ilay tonokalo!
nyeja
(
02/08/2004 12:31)
soa ny manantena !
Malalason
(
14/09/2004 10:20)
ANY MBOLA MISY
ZARA HO ANAO
TONTOLO IRAY VAOVAO
METY TSY NOHEVERINAO
FA HITONDRA FIADANANA...
DIA IZA ?
TSY IZA FA 'LAY NAMANA
'LAY TIA SY MIANDRY ANAO
R.JO (14/06/04)
ZARA HO ANAO
TONTOLO IRAY VAOVAO
METY TSY NOHEVERINAO
FA HITONDRA FIADANANA...
DIA IZA ?
TSY IZA FA 'LAY NAMANA
'LAY TIA SY MIANDRY ANAO
R.JO (14/06/04)
rojosalohy
(
11/01/2012 12:08)
Tsy misy hanenenana ny zavatra vita
Tantara navalona ireny saingy ho tsaroana hatrany
Dia aza kivy fa tsy misy fery tsy sitran'ny fotoana
Raha anjara ilay fitia nifampizarana
Tsy hanantena intsony ianao fa ho tanteraka ny fanirianao!
Mankasitraka
Tantara navalona ireny saingy ho tsaroana hatrany
Dia aza kivy fa tsy misy fery tsy sitran'ny fotoana
Raha anjara ilay fitia nifampizarana
Tsy hanantena intsony ianao fa ho tanteraka ny fanirianao!
Mankasitraka