"HO MORALY" (al'fy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tafajoronao ny fefy, hanankananao ny amiko
Hanairanao ny masoko, hampijoy ny tomaniko
Handraranao ny foko, tsy hitempo ho anao
Hanosehinao ny sento, ho ao anatiko ao!

Noezahanao nolavina ny fitiavana nomeko
Nanorenanao ny jaly, ny fisiako teto
Ny onjam_pilafila no vitanao ho reko
Izany rehetra izany, dia efa noekeko!

Fa androany, eny izao dien'izao
Angamba mba hinoako fa azonao atao
Ny hiatsaravelatsihy, hanopy maso ahy
Harain_tsikitsiky ho moralin'ny fanahy!

"AL'FY"
--------
Rohy:
706 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106