Dada (Alyrah)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DadaIzy ilay tsy mba miteny sy indraindray tsy henoheno fa,
ao ambadik’izy ireny, misy andry iray sy hery.
Indraindray adinonodino rehefa fetiny ombieny.
Ekena aloha fa hafa e ! Hafa foana izany reny
Fa … aza hodina tsy hita fa efa miezaka izy ireny
Mba tsy hahatonga anao hihafy, dia aleony mody mihery
Na dia hita f’efa mafy, tsy mety sasatra mijery
Ny hahasoa ilay akany, dia ho anao sy ho an’i neny.
Tsy hitanao izay hoe ialany na maraina mamanala
Fa hariva ndray vao hita raha tsy ny andro ny alahady
Tsy mba mampiseho mazava ny any ampony koa mazana
Fa ny tiany dia ianao, mahita taratra hazavana
Ooooh … i Dada.
Alyrah nosoratana tamin’ny fetin’ny Ray 2026
--------
Lien:
Fans:
iLhaar_Fasion_
