Ilay hoe mitia … (Alyrah)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay hoe mitia Ilay hoe mitia tsy ilay miteny hoe: ho anao izaho mandramaty.
Ilay mitia, tsy hoe milo … kaloka hoe hatrany,
fa … dieny mbola ampiandohana,
dia mikatsaka ny mamy, ho any izay lazaina hoe malala
Ilay mitia be fahatany tsy hoe ambava fotsiny ihany
fa ny atao ve mba mahavaly ? Ilay tokitoky tamin’izany ?
Ekena hoe tomany e ! Ekena mampijaly
Fihetsehampo tsy hay hazavaina mety hihainana amin’izany
Ngamba tsisy mahavaly ?
Ilay hoe tia tsy fampitaha fa ianao no mba mamaha
Mamakafa samirery izay rehetra tsapanao
Ny maika no mba aza fa fantaro aloha ny faka
Izay vao sahy ny manambara fa aza atao anjorombala
Ilay fitia mba tena mamy.
Alyrah 22 juin 2026
--------
Lien:
Fans:
iLhaar_Fasion_
