Ampidiro aloha ny tenimiafina
Any andro iray (ANDRIAMANANTENA Solofo Jaona)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any andro irayAny andro iray, tsy hahenoako intsony
Irony tabataba mampanampitsofina
Ireo karazana vazavaza
Tena mampanampim-bava
Any andro iray, tsy hahitako intsony
Ireo karazam-pijaliana
Izay mampitondra fahoriana
Zary tena nampiaina fihafiana
Any andro iray, tsy iainako intsony
Ireo karazan-tebiteby mampimalo
Fangirifirian'aretina maro
Ireo sokajin'olana mifangaro
Fa Any andro iray, andrandraiko izy izay
Hitondra fifaliana mandrakizay
Ho Fahasambarana vaovao indray
Dia ilay Fiainana eo ankavanan'RAY
--------
Lien:
Catégorie :
fanantenana
Commentaires
andry 1000
(
08/05/2015 07:18)
fa inona loatra no mahatonga izany rehetra izany
fenohasimpitia
(
08/05/2015 07:21)
Tena lasa lavitra zany ertreritrareo zany a!
