Ianao irery ihany (Andrin'ny Avo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ianao irery ihany


indro nalefako ny saiko
nande' nizaha ny ati-foko,
ka dia tazako sy notsapaiko
f'ianao irery no ilaiko,
f'ianao irery no tsy foiko.

Dia ianao irery ihany
no sisa mba tavela tao;
Fa voron-kely lavo an-tany
ka mba mila ny elatrao.

Dia mbola ianao irery foana
no tiako antsoina hoe malalako,
hiarahako mandia ny taona,
hizarako ny tantarako.

Tiako ho tsapanao an-tratrako
ny haben'ny fitiavako,
Ianao no tiako sy ho tantanako
ary ekeko ho anjarako,

hanantenako ny masoandro
ampitso, hiposaka indray,
ka ho tiaviko isan'andro
sy ho tiako ratrizay.

Na handa aza ny vavako
ny tsy ho tia anao aoriana,
aza inoana re rahavako
satria tiako mangingiana.

Dia mba tia ihany aho fahiny
fa fitia ratsy voatra,
tiako ianao ankehitriny,
ka ho tiako hatrany an-koatra.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4786 1
Hevitra mandeha
MnsRanto ( 11/03/2011 17:21)
tena tsara daholo ny tononkalonao retraretra!
tena tiko be daholo.
nnjiva ( 15/03/2011 20:21)
mankasitraka! (^_^)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096