EMBONA AN’I DADA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I Dada ve, lehilahy sarotiny,
tam’izay nety ho fianarana ;
nataony làlana nosoritiny;
anaty rijam-pananarana.

I Dada ve, ilay tia fihavanana,
nampianatra, nanabe hatrany,
mba hiantra ireo tsy manana;
fa tsy ny ho an’ny tena ihany.

I Dada ve, ilay tena niaro,
raha sendra nisy ny olana;
tsy tia ny nampifangaro,
ny masoandro sy ny volana.

I Dada ve, lehilahy nahery,
nibetroka raha izy niteny;
kanefa tsy nanao an-tery,
teny mifono fitiavana ireny.

I Dada ve, ilay hany nampihatra,
izay voarakitry ao anaty Baiboly;
ho an’ny zanaka tiana, nampihatra,
ny tsorakazo, naharary, nahangoly.

I Dada ve, noheverina ho nasiaka,
raha notsaraina ivelany ihany ;
toa andro maina nangatsiaka,
fitiavam-be daholo izany.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Jona 2020
--------
Lien:
1807 8
Commentaires
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:26)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156