HAFATRA HO AN'NY TARANAKA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anaka, indreto misy hafatra vitsy,holazaina sy hotsindriana etoana.
Hozaraina dieny mbola tsaroana,
amin-teny mazava sy tena mahitsy;
satria heverina f’efa tonga ny fotoana.
Mandeha miroso moramora mantsy
ny andro sy ny volana ary taona;
ny ray aman-dreny eo ambavahaona.
Toy ny akondro ambanana antsy;
manambara zava-tsaro-manoloana.
Mikasika ny fiatrehana ny fiainana,
ilaina ny milofo sy miasa mafy.
Raha sendra olana, aleo aloha mihafy;
kajio hatrany ny fotoana mba hisainana,
ary mioitra, miarina, sy manova fitafy.
Tanjona ny hotsongoin’olom-bolo,
ho tabia, ho rehareham-pirenena,
amin'ny zava-bita tamim-pahendrena;
beazina ireo tsy taova sy tsy volovolo,
ho sambatra, tsy ho isan'ireo mosarena.
Izay ankinina aminao sy iandraiketana;
tanteraho hatrany amim-pahamarinana.
Halaviro ny fanaovan-dika vilana,
soraty ho tadidy ao anaty firaketana.
mba hahitsy ny fijery, tsy hisompirana.
Ho mafy tsara fototra ny tokantrano,
ho tany lonaka hivelaran'ny taranaka.
Mba hiray hina, tsy hisamatsamaka;
tsy ho azon-tsampona, tsy hidiran'angano,
ho tena sambatra ny vady aman-janaka.
Ho laharam-pahamehana ny vavaka;
manankina ny fiainana amin'Andriamanitra.
Mba hirotsaham-pitahiana, ho salanitra,
ny tokantrano sy taranaka tsy ankanavaka.
Ny fiainana eto an-tany toy ny any an-danitra.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
01 jona 2019
--------
Lien:
Commentaires
s19andry5851
(
25/03/2023 05:55)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA