HOY IANAO (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoy ianao, tsy mba taitra,
Raha mangina aho misaina;
Amin'ny feonao manaitra,
Tohina aho, tsy mitaraina.

Hoy ianao, vao maraina,
Tsy mba henoko akory;
Ny ferinao nanaintaina,
Izaho nidaboka, natory.

Hoy ianao : “tsy mijery!”
Adinoko ny tokony hatao.
‘Zato teny toa manery:
Valin-teny izao dia izao.

Hoy ianao, manome tsiny,
“Ny fihetsikao diso hatrany!”
Manonjanonja anaty siny,
Izaho mitopa anaty akany.

Olon-droa tsy hary hitovy,
Nobeazina, samy azy ny azy;
Saingy niezaka hampitovy,
Tsy hisy intsony ny adiady.

Ny vao tsy ialan-kasokasoka;
Ny tonta tsy ialan-dromborombo;
Izay miforitra no mila pasoka,
Ny fitiavana ezahin-kitombo.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
23 Febroary 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - fiainana
909 5
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:24)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136