ISIKA FA TSY IZAHO (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isika fa tsy izaho,
no maha-vahoaka Malagasy,
miara-miezaka mifofotra,
hahatonga ny voa ho taho,
mba tsy hisy hangasihasy,
satria Firenena tsara fototra.

Isika fa tsy izaho,
no mandrafitra fiaraha-monina,
mifanampy, mifandefitra,
tsy handairan'ny tsaho,
ny zava-tsara no tononina,
hanaja hatrany koa ny rafitra.

Isika fa tsy izaho,
no maha- fianakaviana,
toy ny vary sy ny rano,
lavi-pihetsika mizaho,
tsy misy ny manoha riana,
fa iray ihany ny loharano.

Isika fa tsy izaho,
no mampisy ny tokantrano,
mifanohana, mifankatia,
na mibaliaka na mitraho,
iray vatsy, iray trano,
samy miezaka ahate-ho tia.

Ka raha tiana ny handroso,
avelao ny izaho fa ny ISIKA,
miara-dàlana mifandrisika,
miara-mientana ny hiroso,
miara-mirona, tsy ankisisika,
dia tena ho sambatra ISIKA.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
29 Septambra 2024
--------
Lien:
194 4
Commentaires
s19andry5851 ( 29/09/2024 11:25)
Eo amin'ny fiainana, ny fiaraha-miasa, ny firaisankina,ny fifanampiana, ny fifankatiavana, ... no hitondra fandrosoana , ...

Tsy tsara ny mizahozaho, ianao irery tsy mahavita na inona na inona !
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167