MBA MAILO IHANY E ! (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Lu par jantina
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba mailo ihany e !
eo amin’ny manodidina ;
sao voa vao manidina.
Ary koa ho fanimpanina ;
hianjera an-drano lalina.

Mba mailo ihany e !
Be loatra ny mpisompatra ;
ny fialonana mirongatra.
Maro ireo te-handavo ;
tiany ianao ho mavomavo.

Mba mailo ihany e !
Aza dia tsotra loatra ;
avy eo vao mitroatra.
Mila misaintsaina tsara ;
dia ny mbola tsy tara.

Mba mailo ihany e !
Aza sodokan’ny ivelany ;
sy ny fivelatry ny felany.
Mety ankoso-bolamena ;
an’ireo mpiady an-tsena.

Mba mailo ihany e !
Lahy tokana ny aina ;
sao tsy ho vita ny kasaina.
Ny Tompo koa eo foana ;
miahy anao eo anoloana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
23 Martsa 2023
--------
Lien:
640 4
Commentaires
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:17)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
s19andry5851 ( 01/04/2023 18:07)
Misaotra betsaka an'ilay nihantsa, ho tahian'ny Tompo !

Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
jantina ( 03/04/2023 07:08)
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA,
Mankasitraka anao indrindra tompoko mametraka ny asa soratrao amin'ny sehatra toy itony. Tena manome hery sy risi-po; mampiezaka fa tsara ny miara-mientana mamelombelona hatrany ny hay soratra malagasy, miaraka mivetso ny tononkalo malagasy.
Hotahiany isika rehetra !
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158