HO FIRENENA SANGANY (Rasamindrakotroka Andry Tiana)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha te hivoatra eo amin'ny fiainana ;mila miova tanteraka ny foto-pisainana.
Miezaka miala amin'ny mangata-dava ;
vao maraina miasa ny zavona hisava.
Ilaozana ny fihetsika mampandry adrisa,
mandoka tena foana anefa mampikorisa.
Fiaraha-mientana hivoatra no tena ilaina ;
tsy hampanantena lava no foto-pisaina.
Beazina ny rehetra hanan-tsaina miabo ;
hijoro, hitraka tsy handohalika toa babo.
Ialàna izay rehetra heverina ho tarazo,
ny fisainan-dresy lava tsy avela hahazo.
Ezahina hatsaraina ny sehi-panabeazana,
hifanandrify amin'ny filan'ny tanindrazana ;
fiatrehina mavitrika no tokony hirosoana,
hitondra hery vao ho an'ny fampandrosoana.
Ny tomponandraikitra isan'ambaratonga,
mba tena hifofotra tsy hanao somonga.
Handinika lalina izay hivoaran'ny Nosy ;
tsy lany andro mangataka toa androrosy.
Trandrahana ara-drariny ny mety ho harena ;
fampandrosoana isam-paritra tena jerena.
Tsy misy atao antsisim-bala ny Malagasy ;
samy tompon-tany, tsisy avela hangasihasy.
Manomboka izao ny hany atao an-tsaina,
Madagasikara mandroso no volavolaina.
Miara-miezaka, mifofotra ahazoany laka,
ho lasa Firenena sangany sy tompon-daka.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Septambra 2022
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana - fiainana
Commentaires
s19andry5851
(
25/03/2023 04:19)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA