NANKAIZA IANAO RY TSIKIKO (Rasamindrakotroka Andry Tiana)
Lu par s19andry5851
Audio Player
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nankaiza ianao ry tsikiko ?Toa nandao izany tavako.
Mandrahondrahona ny andro,
anefa mibaliaka ny masoandro.
Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Fa ravarava izany endriko ;
mamolivoly any anaty any,
manaintaina mampitomany.
Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Manetsetra izany vatako ;
malailay koa ny maso,
mampilatsa-dranomaso.
Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Tazaniko fa tsy tazako ;
niankandrefana sa nianavaratra ?
Tavela anaty oram-baratra ?
Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Nandeha tsy niera tamiko ;
nianatsimo sa niatsinanana ?
Nindramin’ireo tsy nanana ?
Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Nokarohiko fa tsy hitako ;
hay tsy lasa lavitra any,
fa anaty vatako ao ihany.
Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Miha miramirana ny endriko,
fa iny tazako manangasanga,
toa maka endri-boromanga.
Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Raha tonga ianao ho fifaliako,
mila mailo hatrany hatrany,
fa ny fiainana eto an-tany,
misy ny mangidy, misy mamy.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
15 Janoary 2024
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterLectures
Lu par s19andry5851
Audio Player