NY RAY AMAN-DRENY RAHA MITENY ! (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Lu par jantina
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ray aman-dreny raha miteny,
tsy manery ;
fa ny hahasoa ny zanany,
sy ny taranany.

Ny ray aman-dreny raha manoro,
tsy hanorotoro ;
fa ny hisoroka ny mety hahazo,
sy ny tarazo.

Ny ray aman-dreny raha tsy matory,
be ny sorisory ;
amin’ny fahasarotan’ny fiainana,
tsisy itarainana.

Ny ray aman-dreny raha hita kivy,
toa marikivy ;
noho ny zava-misy eny rehetra eny,
manery hiteny.

Ny ray aman-dreny raha malok’endrika,
toa rendrika ;
nisy tenin-janaka nandratra ny fony,
nampalonilony.

Ny ray aman-dreny raha mandefi-dava,
tsy miloa-bava ;
hazo amoron-tevana mitaninandro hariva,
ny fiainany efa hadiva.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
24 Martsa 2023
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana - Fiainana
1134 6
Commentaires
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:18)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
s19andry5851 ( 01/04/2023 18:06)
Misaotra betsaka an'ilay nihantsa, ho tahian'ny Tompo !

Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0151