POROFO MIVAINGANA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Porofo mivaingana eo amin’ny mpifankatia,ny orokoroka mamy ;
mifampisakambina, mivoady ny ho doria,
manorina akany.
Porofo mivaingana ny tokantrano sambatra,
ny firaisam-po sy saina ;
irin'olona fa tsy maniry olona, no atao filamatra,
ho an’ny menaky ny aina.
Porofo mivaingana ny fiarahamonina mirindra,
ny fahaiza-miara-miaina ;
tsy mifanafintohina, miezaka mifandrindra,
no mibahana ao an-tsaina.
Porofo mivaingana ny fandrosoan’ny Firenena,
ny fihatsaran’ny fiainana ;
mipaka hatrany anaty vilanin’ny mananotena,
tsisy intsony fitarainana.
Porofo mivaingana ny tany mandry fahalemana,
ny miaina am-pilaminana ;
na aiza na aiza aleha mahazo fankatelemana,
ny mpitandro filaminana.
Porofo mivaingana tsy mila tenenina,
ny zavatra vita ;
ny tanimbary voaasa, ny sobika voatenona,
tonga dia hita.
Porofo mivaingana ny tena tia fianarana,
ny misondrotra hatrany ;
manatsara fahaizana tsy misy fitsaharana,
raha mbola eto an-tany.
Porofo mivaingana ny kristianina nateraka indray,
ny fitondran-tena isan'andro ;
hisitrahana, handovana ny fiainana mandrakizay,
rehefa tonga ilay andro.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
27 Novambra 2023
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
Commentaires
s19andry5851
(
29/11/2023 05:26)
Tsindrio ilay sary Fo mainty io raha toa ankasitrahanao ny tononkalo !