RAHA TONGA NY FOTOANA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Lu par s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tonga ny fotoana handaozana ny tany,
aoka tsy hisy hitomany ;
lalana hizoran'ny miankandrefam-bararavarana io,
mifoaka toa tadio.

Andriamanitra no mandamina ny fiainan'ny tsirairay,
tsy misy ala safay ;
Izy no mandahatra, ary mbola Izy koa no maka,
azy irery ny laka.

Efa miezaka isanandro manao ny kely mety ho vita,
tsy misy mpahita ;
aleo manetry tena tsy "miwerawera" misehoseho,
fa mety hankaleo.

Ny vavolombelon'ny mpiasa hono ny bainga,
tsy misy afaka mandainga ;
aleo miasa dia ny malaina, mazoto tsy afaka intsony,
amin'izay tena tony.

Marina tsisy olon-tonga lafatra eto an-tany,
aleo miezaka hatrany ;
ho tsara fitondran-tena sy mandala fahamarinana,
mba tsy ho sahirana.

Mila mifona amin'ny Tompo noho ny fahadisoana vita,
ny maniry ny ho tafita ;
mba ho isan'ny voafantina handeha am-paradisa,
fa tsy angalisa rovi-kazo, ka anarany sisa.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
26 May 2023
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
961 4
Commentaires
s19andry5851 ( 10/08/2024 08:21)
Rakofy asa soa ny androm-piainana rehetra, fandalovana ihany n'y eto an-tany.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0189