TIA ANAY IANAO RY TOMPO (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Lu par s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia anay ianao, ry Tompo,
ilay zoky be nitantana;
satria ny fitiavanao,
no naha toy izao anay.
Na maro aza ireo fandrika,
na be koa ny sakana,
raha eo ambany elatrao,
voaro hatrany rahatrizay.

Tia anay ianao, ry Tompo,
ilay zoky be izay niaro.
Ny fahasoavanao tokoa,
tamin-dalana naleha,
na teo aza ny hakiviana,
na ireo zava-nifangaro,
niova ireny ho zava-tsoa,
ka lasa indray ho rehareha.

Tia anay Ianao, ry Tompo,
ilay zoky be tsy nahafoy.
Nandefa ireo anjelinao,
nitantana, nivimbina,
nanoro lalana hizorana,
ny manta niova ho matoy,
nampanjary izay natao,
tena niahy sy nitsimbina.

Tia anay ianao, ry Tompo,
tamin'ny androm-piainanay.
Nampianatra hiezaka,
hanam-piainana mirindra,
sy fahatokisana hatrany,
mba tsy hanadinoanay,
fa tsy tsara ny mifezaka,
ka mankasitraka indrindra.

RASAMINNDRAKOTROKA Andry Tiana
28 Jolay 2019
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka - Fiderana - Fianakaviana - fiainana
1210 7
Commentaires
s19andry5851 ( 25/03/2023 05:04)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154