TSY HOE MANGINA IZY ... (Rasamindrakotroka Andry Tiana)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe mangina izy,dia midika fa tsisy ny olana,
na efa voavaha ny fatorana ;
ka ho azo atao ny tsy fanao,
amin’izao vaninandro izao.
Tsy hoe mangina izy,
dia tsara, milamina ny fiainany,
tsy misy intsony ny fitarainany ;
mandry fahalemana ny tany,
lavitry ny sento sy ny tomany.
Tsy hoe mangina izy,
dia varimbariana sy resin-tory,
tsy misy intsony ny maha-ory ;
na mandeha ho azy ny fiainana,
tsy miaina anaty fitaintainana.
Tsy hoe mangina izy,
dia manaiky ny zava-misy,
heverin’ny sasany ho tsy misy ;
nosokajina tsy ho mpandrary,
arahana fihetsika, teny maharary.
Tsy hoe mangina izy,
lasa vato taingenam-borona,
toa voadona manara-morona ;
na ombin-tsaretin-dRaleva,
voakaravasy sy voatevateva.
Tsy hoe mangina izy,
dia ianao no manana ny rariny,
nalaina hatramin’ny tanimbariny ;
fa misy farany ny zavatra rehetra,
ny fiainana an-tany koa misy fetra.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
02 Novambra 2024
--------
Lien:
Catégorie :
Fiaraha-monina - Fitiavana
Commentaires
s19andry5851
(
02/11/2024 13:16)
Izay mangina hono volamena. Tsara ihany anefa ny milaza ny ao an-tsaina indraindray!