VAVAKA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mivavaka aminao ry Ray, eny miankohoka;Mandohalika, mitalaho ho an’ny Tanindrazanay.
Latsaka lalina, anaty lava-mampikohoka,
Izay raisina sy ilaina toa mandoro, mahamay.
Ireo hita sy banjinina, toa tontolo tena resy;
Misavoritaka isanandro, mampitaintaina anay.
Atao ahoana moa, izao no asan-dry Kotofetsy,
Tarazon'i Imahaka, mamotika ny fiharianay.
Maro loatra ny miseho, tena mampitahotra;
Herisetra, halatra, manerana ny Nosinay.
Ampio, andefaso ny anjelinao tsy hiahotra,
Mba hiaina ampilaminana, izahay sy taranakay.
Mba henoy ry Ray, sentonay mipololoitra;
Ianao no Tompo, mpisolovava anay.
Mino, manantena, fa n’ino-n’inona hipoitra,
Eo Ianao, hiahy anay sy ny Tanindrazanay.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
24 May 2016
--------
Lien:
Commentaires
s19andry5851
(
25/03/2023 10:45)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA