LAHATRA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy tongatonga ho azy ny nahitako anao
tsy hoe kisendrasendra ilay maso nifandrify
tsy kajikajy koa lay fo tsy te handao
fa lalana voasoritra fitia izay nitampify

Moa nisafidy ny andro isika nifanena?
Na nampitovy lera ivoahana ny trano?
na koa nitady toerana iarahana jerena
fa lahatra io, ekena... tsy hivadi-belirano

Nahoana moa no ianao no niantefan'ny foko
Nahoana koa ianao no nahasaro-piaro
raha ny azoko ambara, dia be ireo hafa loko
F'ianao zay tsy haiko loatra, voafidy tamy maro

AORN
09 NOVAMBRA 2022
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
21 2
Fans: rina15 - Azrael666
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.02