ANDRO MIAVAKA (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andro miavaka aman-tanyNo sitrahanao androany
Olon-droa mifankatia
Ka hitambatra ho doria
Samy hafa fiaviana
Saingy tanjona itoviana
Dia hanorin-tokan-trano
Ka hanao ny velirano
Fa ny aina no hametra
Ilay fitia tsy misy fetra
Eo amban’ny fitahian’
Ilay Nahary niaviana
Dia ho ambinin-jaza koa
Sady hanana ny soa
Tafaray ny tia sy tiana
Ka zay tratra hifaliana
Mety hisy romoromo
Saingy fady ny hifamono
Mety handalo famaliana
Ho dimbiazan’ankiviana
Saingy izao no atao an-tsaina
Tokantrano fihafiana
Ka raha vao mifoha maraina
Dia fitiavana hitafiana
Avelao ho afa-maina
Ny toloko sy taraina
Mba mahaiza koa mamela
Olombelona ny tena
Fa ny voady dia ny iaraka
Mandra-maty vao misaraka
AORN
06 JOLAY 2008
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana