ANKIZY MILALAO (AORN)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ankizy milalao
Samy maro loko
Fa raha tazaninao
Tsy misy tokotoko

Ankizy milalao
Tsy misy fanavahana
Tsy hitanao ao
Ny ory sy ny manana

Ankizy milalao
Toa mifandray am-po
tsy misy rahoraho
Finaritra avokoa

Ankizy milalao
Toa paradisa an-tany
Iray no tanjona ao
“Mifankatia hatrany”

AORN
25 JONA 2003
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
628 1
Fans: rina15
Commentaires
rina15 ( 23/03/2026 07:21)
Misaotra anao
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AORN
Inséré par : rina15
Date : 25/03/2024 08:06
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0127