AN-TSANDRIN'OLON-TIANA (AORN)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony vao nifankahitaKa nanandrana nitia
Dia satry ery hiara-mita
Ity fiainana eto ity
Dia nandalo ny fotoana
Latsa-paka lay fitiavana
Lasa toa nifampitoana
Nampitombo lay finiavana
Dia nalaina hifandao
Rehefa tapitr’andro hariva
Fa ny fo tsy nety lao
Te hiangaly feon’antsiva
Rehefa tonga indray ny alina
Nivadibadika am-pandriana
Fa lay tsiaro anao dia lalina
Tsy mba nisy natoriana
Nony tonga ny maraina
Satry hitsangana avy hatrany
Fa ny fo toa mitaraina
Te hahita anao ihany
Raha niresaka I Dada
Tsisy niditra ny loha
Fa maika ny hifanatri-tava
Sy hifamihina ihany koa
Dia namboatramboatra endrika
Ka nibangobango volo
Fa tsy avelako ho rendrika
Lay afo anatina mololo
Raha nivoaka indray ny trano
Te handigana arabe
Tsy nahoaka izato rano
Mila hananika ny fe
D’iny fa mamono tena
Miazakazaka aok’izany
Ka na kotsa sady lena
Dia niafiako teny ihany
Dia iny ianao fa efa niandry
Tazako avy lavitra any
Toa nanipinipy sandry
Hita faly sesilany
Dia indro isika nifanena
Nifamihina tsy niala
Ny fo no efa manantena
Fa eo anilan’ny Malala
Hasambarana aman-tany
Tsaroana ery ny hafaliana
Sady lavitra tomany
Rehefa antsandrin’olon-tiana
AORN
15 Oktobra 2016
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana