AVELAO HIRARAKA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa injay mandrahona
Sy matroka ny andro:
Hanorana izy izay...
ka ialohavan’erika
manify mifanesy
hamonto tany hay

Ny foko koa mazàna
Raha sendra mba mangorana
Na koa mamelovelo...
Hirotsaka tsy ho ela
Lay vongan-dranomaso
Voasedran’alahelo

Dia avelao hiraraka...
Mantsy raha tsy izany
Handrehitra herin’aratra
Ny fo tsy mahatanty
Raha toa ka tsy tomany
Hipoaka toy ny varatra

AORN
27 FEBROARY 2011
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana - Fananarana
130 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144