BASE TOLIARA SY FOKO MASIKORO (AORN)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avy ao atsimo andrefan'
i Madagasikara,
dia misy foko iray
tsy mihemotra na tara...
tsy mety ahozongozon'
ny rivo-pivoarana
tsy laitran-tambitamby
tsy azo ifanarahana...
Ny tetika sy paika
natao mba hanekeny
zay noterena maika
Niampy rahon-teny:
toa tsy nasiany sira
toa avy dia nolaviny
satria manivaiva
ny vina sy ny hoaviny...
tsy satriny haloto
Ny rivotra iainany
ka hampivontovonto
hanimba ny fisiainany...
ny zanaka any am-para
no efa notsinjoviny
Na iza hikafara
ny lova no tandroviny
...
Ireo no Masikoro
Misotro "aleoko maty"
tsy menatra mijoro
na dia loaran'aty...
fa aminy dia masina
reo tany nodimbiasan
ireo olo-manan-kasina


AORN
13 JOLAY 2025
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
348 2
Fans: Pata04 - rina15
Commentaires
rina15 ( 12/08/2025 07:57)
Misaotra sy mankasitraka ny antsa ataonao Ikalamako!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0133