ETO IHANY ALOHA ISIKA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto ihany aloha isika
Dia mifampijerijery
Dia manao zay fikafika
Sy manao fangalam-piery

Dia Manao andraso andraso
Mbola tsisy tapa-kevitra
Rehefa tojon’ny ankaso
Kivy ihany ka milefitra

tsy hiady ny tsy rariny
fa dia faly manankiana
efa lasa hatramy taniny
Tsisy taitra fa variana

Zay isika Malagasy
Efa zatra miandry lava
Dia avela hangasihasy
Na ho rava izay ho rava

AORN
11 SEPTAMBRA 2023
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
92 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147