FA AM'ZAY ANEFA... (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mianara aloha mitantana
Ny zavatra efa misy
sy eo am-pelatanana
Karohy izay tombotsoa
Mba hisitrahan'ny mponina
sy ny isam-baravarana

Raha ny filana fototra
No ratsy fitantanana
No sady ratsy zara
Dia aza manantena
zay mety hampandroso
an'i Madagasikara

Ny rano sy ny jiro
zay ain'ny firenena
sy ny olona ao aminy
Rehefa tsy voafehy
dia azo atao ny miala
Miverina amy taniny

Tsy izay vahiny iray
tsy mahavaha ny olana
Tambazana eny foana
Karama toa miavosa
Kanefa raha ny vokatra
toa mampiteny moana

dia aza mafy loha
Na koa miziriziry
Rehefa tsy mahay
Avela ho an'ny hafa
zay tena mahalala
no hitantana indray

Nareo moa matin-kambo
Kanefa tsy mahavita
No mbola avo vava
Nahoana raha mangina
Mandefitra ambom-po
fa tsy miteny lava?

Fa raha mitohitohy
Hirotsaka tsy ho ela
An-dalambe reo olona
Fa am'zay anefa
Tsy ho azonao refesina
Zay vokatry ny tolona

AORN
12 JONA 2025
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
270 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0205